Sinoa very entana hono
1 05 2008Nandehandeha tany @ Miangaly aho dia nahita ity adihevitra ity. Maro izay resaka mikasika ny sinoa sy ny fahefany - na ara ekonomika io na ara politika - izay ka izao ny ahy no mba fomba fahitako azy :
Mikoropaka daholo izao tontolo izao fa mibaribary ankehitriny fa matanjaka ny sinoa. Inty izao tontolo izao tenenina dia tsy iza moa fa ny firenena tatsinana.
8% de croissance (dans ces eaux la en tout cas) en pleine récession mondiale, il faut le faire !
noho izany : alefa misava lalana ny mpiandany ny zon’olombelona asaina manondraka ny afo olympika (@ olympiko ve ?), roafina daholo ny barbie kely rehetra eny @ mpivarotra satria mampidi-doza, isaina tsirairay ny sinoa tapa-doha na nogadraina isan’andro, miara mitomany @ dalai lama ny tany, misafoaka ra-olombelona mahita ireto sinoa marobe karamaina vary masaka, …
Mandritr’izay rehetra izay, tsy dia hita misy fanoherana firy ny fielohana ho faty any etazonia, toa mampijaly gadra am-pilaminana ny any Guantanamo, i Irak moa iny notafihana soa aman-tsara iny na tsy fantatra loatra aza ny tena antony (eny e fantatra fa mangina ho volamena daholo ny rehetra), ampiasaina @ maizina (au noir) @ karama vary masaka (na mbola betsaka noho ny any aminy aza ny vary) ireto afrikana tsy manan-tsafidy, izay tsiahivina fa vonona ny hamoy ny ainy mihitsy mba hahitana ravin’ahitra tsaratsara kokoa any am-pitan’ny ranomasina mediteraneanina, …
Tsy dia anisan’ny mapankafy ny kojakoja sinoa ny tenako. Ny antony dia satria nahita ireo novarotana eny Behoririka tsara endrika ivelany anefa mora potika dia mora potika tokoa. Ary sorena mihitsy indraindray mahita fa na dia i Gap na i Tommy Hilfiger izay lafo kokoa noho ny akanjo hafa varotana eny @ ireny “mall” (centre commercial) ireny aza dia ny sinoa no manao azy !
Ny tiako atongavana dia izao : malahelo aho indraindray mahita fa manaiky “formater-na” (tena tsy nahita ny tandrifiny @ teny gasy aho fa miala tsiny) aingana loatra ny fomba fisainantsika. Rehefa miteny ny haino aman-jery tatsinana hoe ratsy ny vita sinoa, tsy manaja ny zon’olombelona ny sinoa (ry zareo raha teo koa moa tsy miezaka akory ny mandiso an’izany) dia iny fa manaiky daholo. Dia iny fa miantso “boycott” daholo ny rehetra.
Adin’ny samy manambola io raha ny tena marina. Na fotsy hoditra izy na kely maso kokoa, samy miaro ny fananany daholo. Raha toa ka mba te-hahazo toerana ao anatin’izao fanantontolona izao dia aleo tsy manara-drenirano raha izaho.
Catégories : resaka samy isika
Commentaires récents